Ny fiangonana

Manana ny toetra mampiavaka azy manokana ny F.J.K.M Anosivavaka Ambohimanarina.  Nandalo dingana telo ny fivoaran’ny Tranon’Andriamanitra, dia ny:

  • TRANO ZOZORO, teo Ambodirvintsara, teo antsinanana kelin’ny Fiangonana ankehitriny (teo anelanelan’ny 1869-1889)
  • TRANO TSIVALANA, teo andrefan’ny Fiangonana ankehitriny (1889-1925)
  • TRANO ANKEHITRINY, izay niorina tamin’ny 1921 ka vita tamin’ny taona 1925.

Samy tsy nisy nitandro hasasarana ireo Mpitandrina fito(07) mirahalahy nifandimby nitondra ny Fiangonana fa nanao ny hainy tsy ho zavatra nanabe ireo mpino sy nitari-dalana azy ireo tamin’ireo asa maro niantsorohana mba ho fampivelarana ny Fanjakan’Andriamanitra, na dia santionany fotsiny tamin’izany aza no ambara eto, dia ireto avy izany:

  • RAINIZAFINJATO (1869-1889), izay nitarika tamin’ny fanorenana ny Fiangonana voalohany sy nitaona ny olona hanaraka ny Fivavahana Protestante;
  • RAINIKETAMANGA (1889-1912), efa nanampy ny Mpitandrina Voalohany sady nanorina ny Trano Fiangonana Tsivalana.
  • RAINITSIMBA (1913-1941), izay nitarika tamin’ny fanorenana ny Fiangonana ankehitriny ary tamin’ny fotoana nitandremany no nisy ny Fahagagana tamin’ny 08 Septambra 1929.
  • RAMBELOSON Edmond (1941-1974), izay nitarika tamin’ny fanorenana ny Sekoly Protestante Anosivavaka Ambohimanarina ankehitriny ankoatra ny fanabeazana ara-panahy.
  • RANDRIAMAHAZOSOA Jean (1974-1994), izay nanao ny fanitarana voalohany ny Fiangonana ankehitriny tamin’ny fanamboarana Alitara vaovaoho Tsangambaton’ny faha-50 taonan’ny “Nilatsahan’ny Fanahy Masina” tamin’ny 1979.
  • RAMANGARIVO Zoly S.M. (1994-2009): tamin’ny fotoana nitandremany no nanaovana ny Trano Fanampiny ho Tsangambaton’ny faha-130 taonan’ny Fiangonana sy ny “Sehatra Maitso” Anosivavaka.
  • RAFARALAHIMANANA Jean Chrysostome (2009-ankehitriny), Mpitandrina amperinasa sady mpitarika amin’ny asa fanavaozana ifotony ny Fiangonana sy ny Trano Vadim-piangonana ho Tsangambaton’ny  JOBILY faha-150 taona.

Ireo Sampana miisa 8 sy Fikambanana miisa 7 kosa no niantsoroka ny asa fitoriana ny Filazantsara amin’ny maha- irak’Andriamanitra ny Fiangonana.